You are here: home > Vetso

R'ilay fifaliako - Ramiadanarivo fetraniaina

Azo vakiana?

-Ento aho handeha
Hiaraka aminao
Hataoko rehareha
Fa eny tsara ianao
...R'ilay fifaliako
-Tsidiho isa-maraina
Ao an-tranoko ao
Hampitony saina
Hampisy vaovao
....R'ilay fifaliako
-Fenoy anao ny fo
Hampety ny fiainako
Ny nofy re ho to
Ho foana ny tarainako
...R'ilay fifaliako
-Antsoy ny fitiavana
Ho tonga namantsika
Ny tontolo ho maitso mavana
Ka ny andro hibaliaka
...R'ilay fifaliako
-Avia re anilako
Hanambina ahy foana
F'ianao anie no sitrako
Anatin'ny fotoana
...R'ilay fifaliako

Hametraka hevitra

Midira aloha