Satry re ho tsapanao (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Maro no sitrakin'ny fo
Sy ny nofy tiako ho to
Mamelovelo sesi-lany
Ireo lavitra tomany
.........Fo misento sendra tony
"Satry ho tsapanao"
-Vorona sendra nandalo
Tsy sanatria ho fahavalo
No injay nampahatsiahy
Fa mila anao ny fanahy
"Satry re ho tsapanao"
-Tsy fahafoizana ny Reny
Ny anatra sy laha-teny
"Satry re ho tsapanao"
-Naniry anie ilay voninkazo
Naniry foana tsy nalazo
"Satry re ho tsapanao"
-Ilay omby kely iray
Izay taizako hatrizay
"Satry re ho tsapanao"
-Ilay nandrasana efa lasa
Ny hiverenany kinasa
"Satry re ho tsapanao"
-Indro farina ny feo
Toa ireny mitoreo
"Satry re ho tsapanao"
Ilay notsiponiko tery
Izay maro mpankafy
"Satry re ho tsapanao"
Zaza sendra nitomany
Revo midrisina amin'ny tany
Hira iray tsaroan'ny vavako
Ahatsiarovako ny havako
"Satry re ho tsapanao"
Valiha sendra notendreko
Sy feo nandalo izay mba reko
"Satry re ho tsapanao"
Olana izay novahako
Fandrika sendra nialako
"Satry re ho tsapanao"
Vatolampy tsy mikoro
Andry iray izay tafajoro
"Satry re ho tsapanao"
Ilay hany mba niriako
Dia ianao ry olon-tiako
"Satry re ho tsapanao"
Izay tsara tamin'ny taniko
Sy ny korontana nalamiko
"Satry re ho tsapanao"
Maso iray manganohano
Toa fipololoitran-drano
"Satry re ho tsapanao"
Ireo anatra sy teny
Fomba fitaizan-dRay sy Reny
"Satry re ho tsapanao"
Vodihazo niankinako
Sy tamboho nitsambikinako
"Satry re ho tsapanao"
Fa ny tsy fihemorako
Dia namaha ity fatorako
"Satry re ho tsapanao"
--------
Rohy:
1105 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014