"Tokana" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Jineriko foana re isan-kariva
Ny zava-bokarin'ny faritra iva
Jineriko foana fa tsy norarahiana
Ity hany tokana izay tsy mba tiana
-Ho jineriko foana fa tsy misy mpijery
Ity ambavahaona toa zavatra very
Ho jineriko hatrany fa tsy misy mpandrindra
Ity hany tokana tsara famindra
-Toa zaza nateraka tsy misy mpiahy
Fa dia zary maha-ontsa ny fo sy fanahy
Toa akanjo tinafy norovidrovitina
Izay tokana loatra ka nifandroritana
-Toa zaza tinaiza midongy atsangory
Fa toa telo lafy ary toa boribory?
F'ity hany tokana nisy hatry ny ela
Dia indro voatana fa tsy mba navela
-Toa voa nafafy izay tsy mba naniry
Zary nahasorena sy nanirikiry
Ity mba tinaiza noentiko niainga
Izay marina loatra sy lavitra lainga
-Tomoeriko akaiky ho voakolokolo
Ho zary handravaka ity tontolo
Tsy mba hay afoy toa lamba vinidy
Izay mitaraina toa zary voahidy
-Oh ! Aiza ny tany hanafenako azy ?
Ho lavitra hantsana toy ny vazy
Oh ! Aiza ny tany hasiako azy ity?
Toa zava-niriana izay be mpankafy
-Fa raha ny ratra tafangona am-pony
Dia tsy hay raofina,tsy omby amin'ny gony
Zava-jinery nanjary nibahana
Toy ny lamba an-tsena izay nifandrombahana
-Etsy eny ianao ry hany tinaizako
Etsy eny ianao ry tsara sakaizako
Ho fihiniko mafy mba ho zary tadidiko
Ry asako iray nanjary ho adidiko
07/12/15
--------
Rohy:
1272 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166