You are here: home > Vetso

Tsy tia intsony - Ramiadanarivo fetraniaina

Azo vakiana?

-Ra ze sipa otranao tsy hananako alahelo
Rehafa avy aho ny orana vao ilaina ny elo
Sasatra aho nitia anao nandritra ny ela
Tiako mba hafoy izay fitiavanao tavela
-Ny marina anie izany d'izaho ratsy safidy
Fa ny andolandolanao no hany mba  nandidy
Ny fitiavako anao dia diso fiantefa
Iriako mba haverina ny tokiko nalefa
-Tsy tiko tsony ianao fa lasa mandeha any
Zory re ny lalana tandremo sao tomany
Tsy hoe hisaraka dia ho tapitra fananana
Ny sipa anie hatoniko manoka-baravarana
-Misy foana tsy lany ny fitiavako ry sipa
Raha ny efa henoko hono d'ianao efa vita
Sady haiko koa anie f'ianao dia nampirafy
Nanaovanao hanta sy rotsy maro lafy
-Bandy akama ihany kay zareo no rafilahiko
Nahagaga f'izay voalazany rehetra dia narahiko
Ao ambadikin'ny tsiky kay dia maro zava-miafina
Iza taminay roa lahy ary no tena tiany ho tiavina ?
-Izay no ela fa tapitra ny teniko
Izay nomenao rehetra tsy ilaina fa haveriko
Na ny hifanena aminao tsy mba iriako akory
Fa kay ianao mpampijaly ary tena mpampahory.        
-Tapitra hatreo asiako teboka ny antsika
Raha ny fisarahantsika tsy ataoko hampivika
Izaho anie ry sipa mitady dia mahita
Tsy mendrika anao ny saotra noho ny vita
Fetraniaina

Hametraka hevitra

Midira aloha