Babena... (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy nino enao raha nilazako,
hoe nitia isika de notiavina,
tsy nino ny nanambarako,
fa nanaiky saingy de nolavina...

tsy nety enao lay notoroana,
fa mihevi-petsy ny eto an-tany,
tsy mino maty novonoana,
raha tsy voakenda tany ho any...

tsy nihaino ianao nintantarako,
voady masina voadika,
tsy rototra fa ankehitriny fako,
reo toky fitaka hapariaka...

ianao tsy taitra reo mamoy,
n'izao tontolo izao anatiny,
raha vola no atao manjoy,
hiaretany izay tsy tantiny...

nafokainao ny fampianarana,
nosainao ho adalana,
ianao niliba tsisy fitsaharana,
reo ditra mora nahatamana...

tsy tambo ny amin'ny sotasota,
ny revy gafy fanamparana,
matoa nisy taminao tsy ota,
fa oe ny saina no manova anarana...

tsy basy intsony fa tafondro,
no nialoha ny fananarana,
ny angano hatraminay voatondro,
ho mpikepoka ny tsy hisasarana...

tsy mba nisy iray nandaitra,
ny fitsipi-piainam-panabeazana,
sombinaiko, mafy zany ka tsy laitra,
kanefa vokatra ka de hotazana...

mantsy tsy voatery ho ny tsara,
no finjinja ety an-tany,
babena refa izay no anjara,
na ngeroka io na koa tomany...
R.J.O.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1775 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 29/07/2005 18:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142