jereo (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hiangaviako ianao hijery,
meteza kely re hibanjina,
f'aza de odian-tsy hita,
fa mba tompazo maso ihany .
mba andefaso eritreritra,
satria tsy mila anao diniry,
na miandry fikarohana,
fa reny akaikikaiky reny,
reo ambany maso reo,
ka mba jereo ...
jereo fa mahonena .

jereo ange reo tanimboly,
rakotry ny biby kely,
toa tsy misy voly intsony
f'angaha tsy vitantsika reny ?

jereo ilay tanimbary,
f'efa lasa trano be,
toa mba fiasana ihany ,
fa amin'ny endriny hafa kely .

jereo ny tranontsika,
fa nahongana amin'ny fotony,
nosoloana itony vao,
fa nahoana reo no lasany ?

jereo ireo ireo tantsaha,
mitrongy vao mba mioty,
kanefa de potehina,
amin'ny androm-pararanony .

tazano reo mahantra,
mameno sisin-dalana,
ny eny no miseho,
fa ny any Ambanivolo ?

jereo ny fiaraha-monina,
fa mifambotry an-toerana,
samy maka ho azy,
loka sisa hiainana .

jereo ny zaza gasy,
mba ahoana ny amin'ny ho aviny ?
foana tsisy ny eo alohany,
iza izao no andrandrainy ?

jereo ireto mpianatra,
ny zanaky ny tsotra,
mandany ron-doha,
zava-poana anefa izany .

jereo mbola sekoly miangatra,
ny antsika eto ihany,
fa ny an'ny ngeza kosa,
miampita ranomasina .

dia jereo ity tontolo,
tsy hitanao akory,
satria oe tsy ho anao,
fa miaina ianao ho velona .

indrisy, moa reo vahiny,
nanjary toa anjely,
manao izay tiany atao,
dia maka izay ilainy .

hany lasa maromaso,
mbamin'ny vady tiana,
fa dia alaim-panahy,
hoe : leo ny fahoriana .

de jereo akany firy,
no efa miozongozona,
lasa amoron-kady,
no nijoroan'ny andriny .

nanjary mitam-pody,
ny ampolon-taona lasa,
mitanjozotra lava,
kay milaha-bary .

hatramin'ny vidim-piainana,
tsy mitsaha-mitombo,
ny bemandry mandry ihany,
fa ny hafa tsy mahatsiaro .

jereo reo maso valaka,
tsy mahatsinjo itsony,
ny làlana ombany,
fa hono akory atao .

ranomaso tahaka inona,
jereo tsy mety latsaka,
sy raraka tsy fidiny,
miotra izany ngidiny .

moa ty zay lalàna,
ny mpampamoaka azy,
toa tsy mataho-tody,
manova-sora-marina .

Iretsy zay noheverina,
ho andry fiarovana,
nivadika ho mpitsetsitra,
sy biby mampatahotra.

mbamin'ny fiangonana,
no mifanao ambony ambany,
ireo mba antenaina,
no mampiverin-dàlana .

jereo ny politika
sy ny lokaloka entiny
Refa injay fa marin-toerana
dia... veloma ry sakaiza

ry zareo ireo ihany
no mifamadibadibaka eo
mifandramandramatra eo
dia aiza izao ilay firenena ???....




kanefa ... ireo mitondra,
tsy mahazaka endrika,
tsy omby patalaho,
tsy te hahalala izany .

tsikaritrao ve izany ?
ireo rehetraretra ireo,
hiainanao daholo,
fa toa tsy mampiraika intsony .

asa,... angamba!
efa donto ianao,
efa mafy isika,
kitrohan'hirifiry,
zogaina fahoriana .

r.j.o. 24/05/01
--------
Rohy:
1916 0
Hevitra mandeha
NyKanto ( 26/08/2006 08:21)
Maina amin'ny tontolon'ny fitiavan-tena mihoapampana isika izao ... ary indrisy fa tsy misy aloha hatramin'izao hirika mety hilazana fa hiova ho tsara ny amin'ny ho avy ... raha mba afaka hampihiratra ny mason'ny besinimaro ny tononkalo toy ity dia tafita ny tanjona kendreny.

Ny Kanto.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 25/08/2006 11:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094