Saraka! - randria
Azo vakiana?
Asiako raki-teny ny fahatsiarovana azy,
vinaniko de antsa nipololoitra teny,
hameno ty toloko niraviravy teto
fa nisy nitomany ny fisarahanay...
rina mety ritra sy nandalo ihany,
nitakosina eo an-tava fa tafapaka anaty,
ny tana-nifanolotra nifono hakamantatra,
ngaha ireo ny dina ho fara-embona eto
ny sangy nihobiana nanjary alahelo,
nametraka tandindona tsy hay adinoina,
nazava tao am-po fa maizina ao an-tsaina,
dia fo tsy mahalala afa tsy mena ihany .
triariko ary ve ny tsiaro andaozako azy ?
sa hatrehako izy mba hamoizany ahy ?
dridry fara-hika tsanta feno kiry,
mahomby fa tsy miatra amin'ny fahasambaranay,
ny fotoana toa nandalo ny tsetsepako tsy zaka
fa mafy ny hifandao rehefa samy tia
izany ora izany taonam-bolan'hirifiry,
niraika dia nandao ho vetsovetso indray .
ka bitsi-teny iray izay no andrandraina,
izany no ilaina hameno ty toloko,
ny vinaniko misoko ny fony he mihoko,
fa ho saraka satria, mifamolaka fitia !
R.J.O.
Hevitra mandeha
hery (03/01/2006 07:27:08)
Lalina be izany tononkalon'ise izany an. Samy voa ve dia nahoana no hisaraka?
Malalason (27/01/2006 06:55:38)
Mombamomba
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jariDaty : 30/12/2005
Mpamangy : 2070
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
Dom-panantenana.adidy!
jereo
Manga...na!
hoavaoziko
tsy azy!...
Honjohonjoko...
Ngerok\'hirik\'ila.
Foiny
Teo imasoko.