Teo imasoko. (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teo imasoko no indro feo mihika mitaraina,
Tomany senton'alahelo dradradradra-na toreo,
Reo ankizy sy tanora mpanarak'andro savolaina,
Ndray mitanondrika aman'aina eo amoron-tongony eo...

Teo imasoko no indro vetso maro no nandeha,
Mahita reto zaza bodo tsy mahatsiaro ny fisiany,
Mampanontany tena anaty ka hirediredy hoe :
Iza zao no hanajary hiantoka amin'ny fihariany ?

Teo imasoko no indry fa nilofika ito andry,
Nogejaina tsy hietsika ao anaty voron-tsihy,
Namoriana fokon'olona niantsoana herin-tsandry,
Hiazo an'iny fahanginana ery an-dohasaha ery.

Teo imasoko no indro lahan-dreny tafahondrika,
Mijery reto sombinainy mikarenjy sy someby,
Tsy mahatsiaro kely akory fa lavo tsy mba azo harendrika
'Lay antoky ny fahavelomany ka ny hafa no mitebiteby .

Teo imasoko no indro nisehon'ny hery tsy haiko,
Fa niboridana anoloako ny tsy ho hita ho saintsainina,
Ilay aloky ny nofinofy mistery ho ambombaiko,
Tozon-janak'olombelona tsy azontsika mba sitranina.

Teo imasoko ary teo, teo no nihiratra aho fa maizina,
Tsy nahenoko n'inoninona afa tsy ny fofon'aiko,
Raha niserana an-tsaiko ny làlam-ben'ireo ho faizina,
Tsia! eritreritra mandalo, mpamela heloka lay Raiko.

Teo imason'ny rehetra zay nanatrika ny farany,
No niainantsika mianakavy iny tranga mahonena,
Nanaovana ny fombafomba hamarana ity tantarany,
Mba handriany fahalemana fa ho ilo ho an'ireo jambena...
R.J.O.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1224 2
Mpakafy: Jari - rabiazazotoavina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 21/07/2005 23:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147