Nahoana ? (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ry nosy lay taniko kanto hatrizay,
nankaiza reo ondry niaina tety ?
fa toa tany ngazana haolo sy hay,
no hany mba sisa vantaniko ety ?
nankaiza reo ala reo mponina tao ?
nankaiza reo rina zay be mpankafy ?
nankaiza fa aloka sisa no ao,
indrisy ry oloka be siasia...
nahoana no potika ty tanintsika,
nahoana no rava lay manda fiarovana;
nankaiza lay endrika tsisy tomika,
nankaiza lay taniko feno fahadiovana ?
aiza lay tontolo nireharehana,
aiza ry edena nanandratra avo,
nahoana ny gasy ary mihanahana,
mahajery ty taniny maintso mihamavo ?
ripaka ny ala nameno ny nosy,
ny hamaintin'ny avona efa mahasorena,
ny vanim-potoana mitovy torosy,
ny valala be mandry no mahonena .
tsy fantatra intsony ny fahasamihafana,
lohataona ririnina na fahavaratra,
fa andro migaina no sady mafana,
laron'ny zavona fotsy miraratra .
ny tarainan'ny atsimo tsy misy ny rano,
ny orana tsy avy kina ny tany,
tsy tana ny masoko nanganohano,
mejery mpamboly miredi-tomany .
vahoaka mitrongy vao mihinan-kanina,
ny tontolony simba tsy fantany tsony,
ireo manan-bola variana mihanona,
manangona harena ho fiononan'ny fony .
tsy ampy ary angaha ny fanabeazana,
sa be reo minia manao fanahiniana,
no toa tsy mitsiry reo voa nofafazana,
tsy tody ny tanjona izay mba niriana ?
angamba hisy ihany any tia tanindrazana,
mahatsiaro fa rava ny tontolo iainana,
ary mila havotana sy famohazana,
ny fomba fihevitra amam-pisainana .
ndeha isika hivondrona ndeha hiara-dia,
hitarika ny olona hahay haka fy,
taloha hono anie k'ity nosy ty...
toa sahan'EDENA notsiriritina ery!
R.J.O.
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1501 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 22/07/2005 19:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097