Vinanin-diavolana . (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mangina sady tony ny tany tontolo,
reraky ny andro ka de nifanolo,
tamin'ny ali- mamiratra sy mibaliaka,
tsy nosalovan-drahona lay volan-tsariaka .
ny ao anatiko anefa tao maloka lava,
ny andro-ratsin'ny foko tsy mety misava,
akipy ny maso mifoha ny ao an-tsaina,
andrasana ho tony vao manaintaina .
maneso ny fiainako va re ty voahary,
maneho ty ankantony miharihary ?
reo kintana an'aliny mihamikamina,
ny volana feno tsy nosinganina .
dia lasa ny vetsoko tany lavitra tany,
nitety reo vohitry ny olom-binany,
hisambotra lay rambon-damban'ny lasa,
ho entiko hamaly ty foko voarasa .
kanefa aho sadaikatry ny alin-diavolana,
mitory hatsarana sy vaha tsara olana,
sinafon'ny ambitafiotran'ny mamaton'alina,
hany hery sy tokin'ireo tsy tafarina .
ny rivo-nifafy nitsoaka fahadiovana,
mampahatsiahy ilay idealy tandrovana,
dia ny hikan'ny saina tsy mila herisetra,
milaza fa misy ny rariny tokony hitoetra .
sondriana ny saiko nandinika izany,
angamba nipaka ny faran'ny tany,
ny voahary anatrehako moa tony de tony,
ny masoko revo eny an-danitra ambony .
nony ela ny ela dia vory ny aiko,
ngamba nisinda reo valy tsy haiko,
f'andro inona anio no tohatro ny olana ?
velon-tsento ny tsiaro, kay alin-diavolana .
R.J.O.
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - ahy
1450 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 22/07/2005 19:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098