Ny atao - Randriamahasoa Andry Mirana Halimalala< Andrys
Azo vakiana?
Raha tsy tia ny hanontaniana,
Meteza tsy hanontany.
Raha tsy tia ny hitomaniana,
Meteza tsy hitomany.
Raha tsy tia ny hampijaliana,
Dia aza mampijaly.
Raha tsy tia nyhampifaliana,
Dia aza mampifaly.
Raha tsy tia ny hojerena,
Meteza tsy hijery.
Raha tsy tia ny hoterena,
Meteza tsy hanery.
Raha tsy tia ny hoarabaina,
Dia aza miarahaba.
Raha tsy tia ny hokotabaina,
Dia aza mikotaba.
Ny tsy fisian'ny tody,
No azonao heverina.
Fa tsisy fanafody:
>
Sokajy :
fananarana, vazivazy
Hevitra mandeha
vetsoko (13/12/2004 17:37:31)
Mombamomba
Mpanoratra : Randriamahasoa Andry Mirana Halimalala< Andrys
Nampiditra : andrysDaty : 11/12/2004
Mpamangy : 1063
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
'mbetikaNamana
Raha......
Indrisy
Tsy ratsy izy akory