You are here: home > Vetso

KAMBOTY - Randriatsitohaina Lameric

KAMBOTY

Eo ianao ry masoandro baliaka
Mitsilo, manazava ireto zava-boary
Ka ianao no inoako fa mahita
Fa mitazana ny fiainako an-tsary

Rehefa mody any ho any ianao
Ka handao indray ity taninay
Izahay kosa manantena andro vaovao
Hoentinao hanazavana ny fiainanay.

Ny alina mangina kosa ry volana, tsilovy.
Ireo kintana maro miaraka aminao
Hilazao fa mila anareo ity kamboty.
Mitady hazavana fa haizina no mitatao

Tantano ry Ray ity zanakao tokana
Tsy anilan'ireo ray aman-dreniny akory
Fa ianao no sady ray no reny mitantana
Manome hafaliana raha sendra sorisory.


D zay.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Randriatsitohaina Lameric


Nampiditra : elmerofficiel2019
Daty : 25/03/2019
Mpamangy : 1134
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Soa ihany
Tiako izy
Tsy tamana
An-tsary
Fitiavako masiaka
Faka vady
Ny EVA dia EVA foana.