Fitiavako masiaka (Randriatsitohaina Lameric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitiavako masiaka

Ity tononkalo ity, aleo ho misitery
Ka tazomy ho anao irery
Hitia anao aho @ ity fotoana efa tsy ananam-piry?!
Tsy aiko fa mikiry...
Hitia olona mandalo anaty filafilan'ny ora sy fotoana
...hitia ianao dia ahoana?!

Fa tiako ianao malala
Dia...nanamboarako ainga tsy nisy mpahalala.
Tsy ambarako olona hafa.
Tiako ianao irery no tokana hahatsapa.
Hoe efa latsa-paka sy lalina faniry.
Ny fitiavako anao iny.

Kanefa koa tsy hafenina
Ny zava-marina tsy azoko toherina.
Ny foko tsy ho anao.
Ka nefa fanainina natao.
Dia angamba nidifiko fa tsy noraraiko.
Ny mombamomba anao.
Satriko ho fefena saingy efa... Fitiavako masiaka.
Resinao ny foko, tiako ho to ny antsika.

Tsy afaka aho ny hametra ny fonao tsy hitia...
Fa fotsiny miangavy
"Ny mba tsy hanononanao...
ny anarany ho reko."
Aza miresaka azy rehefa eto akaikiko eto!!!

D'zay
--------
Rohy:
1173 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randriatsitohaina Lameric
Nampiditra : elmerofficiel2019
Daty : 23/03/2019 09:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103