You are here: home > Vetso

Ny EVA dia EVA foana. - Randriatsitohaina Lameric

    Ny EVA dia EVA foana.

Tsy fidiny ahy no nitia anao.
Moa ianao tsy mba nitsotra.
Hoe : efa manambady ianao.
Ka lasa setroka mipololoitra.

Natolotrao ny tananao.
Dia noraisiko avy hatrany.
Tsy haiko akory izay momba anao.
‘Zaho koa moa tsy nanontany.

Ka niaraka teny foana.
‘Zaho nanantena sipa tsotra.
Hay ny Eva dia Eva foana.
Fa ny lainga e, tsy maintsy  hipoitra.

Ka izao no lazaiko  anao :
Ajanony eto anivon-drano.
Ny momba antsika, izao dia ‘zao.
Na dia samy hanganohano.

D. zay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Randriatsitohaina Lameric


Nampiditra : elmerofficiel2019
Daty : 19/03/2019
Mpamangy : 313
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Soa ihany
Tiako izy
Tsy tamana
KAMBOTY
An-tsary
Fitiavako masiaka
Faka vady