Tiako izy - Randriatsitohaina Lameric
Azo vakiana?
Tiako izy
Tiako izy ho eo anilako ;
ilay mihanta sy miangoty.
Izy ilay tokako sy silako.
Ilay tokiako sy mahatoky.
Tiako izy ho ahy irery.
Tsy hitambarako na amin'iza.
Ny voadinay no tena hery.
Ilay fitia tsy mifindra.
Tiako izy ka ho tantanako.
Mba handravaka ny lalako.
Harena sarobidy hananako.
Tsy atakaloko, malalako.
Tiako ho izy no mpanafana ;
raha sendra antsiaka sy hirifiry.
Na an-tsahy na an-tanana ;
Ny fitiavanay lalina faniry.
Tiako izy fa tia ahy.
Tsy adinoiko, tsy manadino.
Eken'ny saiko, fo, fanahy.
Izy manaiky moa izaho mino.
Tiako izy, sanatria raha hankaleo;
Fa feno tsiky lalan-dava.
Rehefa eo anilany eo;
Ny olana mandalo... vetivety dia misava.
D. zay.
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Randriatsitohaina Lameric

Nampiditra : elmerofficiel2019
Daty : 28/03/2019
Mpamangy : 1729
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Soa ihanyTsy tamana
KAMBOTY
An-tsary
Fitiavako masiaka
Faka vady
Ny EVA dia EVA foana.