tratra ambodi-penina (Rangotra Voavitrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tratra ambodi-penina

-Io leity a.
Tratra ambodi-penina io
Fa namiravira taratasy
Io sambory any torio
Tandremo sao sodoka raha toa izy angasiasy.

Dory mihitsy na vonoy
Fa toa sahy miadaladala
Tsy maninona omboy
Fantsio, aza misalasala.

Jereo nandany ranomainty
Nitadiavana ny marina ka rariny io ilay kely ‘ty
Raha atosika any hivarina.

Toa tsy mitsahatra miteny
Fa zary lasa isan’ora
Ohatran’ny hoe izy irery
No manam-bava hitalahoana.

Miseho miavaka ka manafitohina
Ravi-taratasy no sakaizany
Rivotry ny nofy ny azy no fifohana
Ary ranomainty no mba taizany.

Iareto izany raha toa ialahy poeta
Ka vonona hanandratra ny marina rehetra


Rangotra
--------
Rohy:
Sokajy : poeta
989 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01