Any ve misy, - Ranoala
Azo vakiana?
Asa loatra lahy nahoana
no dia mampikaikaika
zao fiainana izao
fa na ny voky, na ny noana
dia samy lany haiky
kara mafy izy izany
Ireo voky dia mitazany
fa tsy ho ampy intsony ny eny an-tànana
Ny naona kosa re rahavana
ny maloto havoaka aza tsy ananana
Dia hoy ny vaovao:
tsy eto fa hatrany ivelany io
dia manotany aho aminao:
aiza izany no no aleha
ahitana be dia be
zay mahasoa rehetra
sy ny tsy manampetra
sy tsy misy mpanararaotra
sy mpanadala ny vahoaka?
Mombamomba
Mpanoratra : Ranoala
Nampiditra : rahonalaDaty : 17/01/2005
Mpamangy : 2028
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
niova ny tontolodia gaga ialahy
Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira