You are here: home > Vetso

Dada o! - Ranoala

izaho no rola
sa tsy izany moa ry dada?
izaho no mafy be
sy bogosy indrindra!

Miaramila kely
nefa tena manequin
manana milou
anefa tsy Tintin

Izay miseho ho bandy
atoroko an'i dada
tonga dia mandady
sy mikombom-bava

izaho moa bogosy o!
sa ... tsy izany moa ry dada?
eo moa mba omeo ilay sosy
f'efa reraka ny vava!

Dada koa anie tsy ratsy
satria izaho voromanga
i neny  ravarava
tsy nahatan-damba

Fa sambatra koa anie hono
ny manome no ho ny mandray
mba hanipazo kely aloha
ilay kof'boay!

18/01/2006

Sokajy : Fiainana, Malalaka

Mombamomba

Mpanoratra : Ranoala

Nampiditra : rahonala
Daty : 18/01/2006
Mpamangy : 1704
Mankafy : 2
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira
Ry hoavy
Fitia

Hevitra mandeha

nikopol (19/01/2006 09:36:38)

enjana be lol

yonikafopl (21/02/2006 16:16:41)

hihihihihihihi mampme kely le izy

Hametraka hevitra

Midira aloha