Endre ny filazako azy (Ranoala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy bizina ho anao ity razoky soa mba mila
tena matotra na vao ary tonga dia vola

Atsangano ny tanana raha misy mahasoa
fa ity matavy tsy fahanana hoatra ny kisoa

tsy ampy saosy ilay tary dia mitady mpanohana
zany ny patiny fa tsy mba toro vohana

ahoana ka ahoana, tafa ve 'lay fivoriana?
Mitondra akama fa mba mila fanampiana

Tsy mba volana fa andro no isaina dia efa izy
Tsy mila fisainana intsony hanadalana ny ankizy

Matavy mandimandina, na izany aza misy fetra
o miaingĂ  ka faingana tsy hitaredretra

ny lelako tsy antoka fa mialaza ny misy
ny tsy manao misafo loha sy miantso hoe indrisy

Arotsay ny harato sao ny hafa re no voky
Dieny mbola mazava sy ambony koa ny toky

Ankamatatra zalahy 'lay tsiambaratelo
saosy be ka mampanahy hahatonga alahelo

Dia aleo faranana, any mihaona raha ho avy
'zay tsy sahy dia ho noana ary koa hanavy
--------
Rohy:
Sokajy : Tontolo iainana
1199 1
Hevitra mandeha
zoky ( 12/07/2006 10:17)
lalina ....
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ranoala
Nampiditra : rahonala
Daty : 12/07/2006 09:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099