You are here: home > Vetso

Fanadinana - Ranoala

Azo vakiana?

raha lazaiko hoe ratsy
dia avy hatrany ianao hangarika
kanefa ianao tsy dia tsara,
na manintona hisarika

Raha ataoko indray hoe tsara
toa avy hatrany dia hibitaka
nefa valana tantara,
karazam-pandrika sy fitaka

Mety hanava tena koa
ho ambony na ambany
asa aloha zay tombontsoa
tsy misy haiko ny amin'ny zany

Dia izaho no hifotorany:
"'ty ianao mba manakory,tsy misy tsiny fa anjely?"
miala pa fa sorisory
raha tojo tsikera

Lasa saina ianao:
"tena za zay" na "ra anona!"
sa irony be lazao
mody gisa , mody fanina?
lasa fotsiny milanja loha!

30/04/2008





Mombamomba

Mpanoratra : Ranoala

Nampiditra : rahonala
Daty : 30/04/2008
Mpamangy : 1322
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

niova ny tontolo
dia gaga ialahy
Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira