Inona ary zany? (Ranoala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ankamantatra ry lahy
mba handramo kely ange!
Inona ary izany :
"Loharano antendro-kazo?"

Dia fantatro avy hatrany
fa hamaly ianao hoe:
"kobo fa voasary,
hafahafa mba atao"

Izao indray aza
asa ianao raha hahita:
"Tsy tafavoaka ny ala
anefa dia misioka?"

Diniho maharitraritra
tsy henjana io ry lahy
mbola tsotra mahafinaritra
ary mampite-hizaha

Toro-hevitra voalohany:
Olo-manakaja be
ary misy eran-tany
Tsy iray fa be dia be

Faharoa hanazava:
Nilatsak' ho fidiana,
misy koa ny basy vava
ireo tsy mety mangina

Fahatelo sady farany:
indraindray toa boloky
mampanatena fahasambarana
ary koa manome toky

Raha fanina ny havana
indro misy tena sarotra:
"mirenireny an-tany gazana,"
"mampahery,mampivoatra"

Tokana eto ny fanorona:
raha lasa izy ,mahavery
ka tsy maintsy antsoina
ilay mpizaha mistery!


Tsotra o, tena tsotra
Ankamatatra ranaotra
mba valio ,mba valio
O! mba inona ary ireo!



13 07 2006
--------
Rohy:
2271 1
Hevitra mandeha
vetsoko ( 13/08/2006 17:41)
afa-po
rahonala ( 08/12/2008 05:24)
mbo tadiavo o
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ranoala
Nampiditra : rahonala
Daty : 14/08/2006 04:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097