Irery (Ranoala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
saika tsara,nefa indrisy
lany zara ilay saosisy
tena dila izao atoandro
rahariva indray mahandro

Dia tsy maintsy hiantsena
hoa atody sa ho hena?
Anefa izany mankalao
dia ho inona no atao?

ny anana iky sarotra
mandanaka tsy haritro
raha mofo maha noana
raha lasopy misavoana

raha ovaina hanikotrana
'zaho malaina hikirotana
tsy ahatsindry tsihy
anaty lamba no mandihy

Irery aho ka malaina
indrindra moa ny maraina
ho inona ny kaly
mankaleo , mankarary

te ho roa fa sahirana
any toa misy rirany
raha maro mifanohana
tsy hahatsiaro ny ho noana

13 07 2006
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1329 1
Mpakafy: zoky
Hevitra mandeha
zoky ( 18/07/2006 08:32)
tena ny fiainako mitsy zany vetsoin'i Ranoala izany. Soa fefa ho roa ,ka adinoy hatreo ny laoka ro,hanantena laoka hafa vao mafana, ka nofinofy sisa le sosisy nahatamana.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ranoala
Nampiditra : rahonala
Daty : 14/07/2006 06:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151