izato ianao - Ranoala
Azo vakiana?
hoy ny maro hoe mifoka
aiza kosa re rahavana
ny mamo aza mbola tsy hitako
hiletra setroka ho vitako?
vinany no besaka
ireo nofiko hafahafa
ny zava-misy sy maresaka
ireo dinika sy tafa
dia narafitra ho kanto
amin'ny fomba mody maontina
dia mifoka hoy ny hafa
ny hafakely no araraotina!
ny rindran-teniko matsiro
mila hisongona kabary
vitanao ny manakina
ny foko kely mba marary!
Aoka re fa hira ireny
ireo traotra te hivoaka
manakoako tsy misy mpihaino
ao an'efitra mangiana
Sokajy :
Kolontsaina, Malalaka
Mombamomba
Mpanoratra : Ranoala
Nampiditra : rahonalaDaty : 05/10/2005
Mpamangy : 1718
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
niova ny tontolodia gaga ialahy
Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira