You are here: home > Vetso

Ra-Mpihenjy - Ranoala

Azo vakiana?

Kinivy, rara-kivy ,marikivy
ny tenanay tato ho ato izay
Kinetraka, tafapetraka, nangoretaka
toa voadoron'ny afo mahamay

voatsinipaky ny daka
ka toratorana tery
fa dia gaga nivanaka
fa navilivilin'ny fitia

Ilay akoho izay nopiana
nolazaina fa taman-trano
toa nahita izay niriny (...?)
nanenjika akanga

Akanga mahay manoratra tokoa angaha
ka sahy natakalo akoho mpihenjy
k'izaho zao ity  no voa roa
ny tetsy tsy azo, ny efa re nandao  

13/12/2005

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

zoky (13/12/2005 09:51:15)

zany toka ny hoe naka tombony ka natombony:
Ilay Akoho tamana an-trano
lasan'i Ankanga tsara soratra
Ka ireo Atody zay nokotrehany
zary lasa lamokany

Mombamomba

Mpanoratra : Ranoala

Nampiditra : rahonala
Daty : 13/12/2005
Mpamangy : 897
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

niova ny tontolo
dia gaga ialahy
Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira