Tsena (Ranoala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Eo le vandro ramose!
Eto mora fa avy
fa ataoko be dia be
tongava mankaty"

"Aty kambony,
ny ahy misy kado
bobaka ny ambiny
betsaka kokoa!"

"Saosisy mantsy atao
fa mampangateta ireny
ho mandina ny molotrao
mamiratra jerena!"

"Zany mihintsy mise a!
eto amiko ampiana mofo
eto 'lay mora be
mampitorajofo"

"sssh, tsy misy vola aty.
atao trosa dia mety
Raha misy dia avy
mba hanaovako fety!"

"Ity lasopy ry akama
izaho aza adino
'lay fihinananao mazana
mitodiha ka mbajino"

"Da raikitra ry lahy
rahampitso ny sosy
tena ramaka aho
kanefa mba bogosy"

14/05/2005
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1344 0
Hevitra mandeha
hery ( 14/08/2006 09:17)
:-) tsy ratsy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ranoala
Nampiditra : rahonala
Daty : 14/08/2006 05:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014