You are here: home > Vetso

tsy diso akory - Ranoala

Azo vakiana?

raha fitia no ho lazaina,
iny tsy haiko re ry lahy
na angano ho tantaraina,
aza mba miandry ahy

Eny e, taloha angamba ireny
nahafeno pejy maromaro
nahitana karazan-teny
nambabo ny mpandalo

Ankehitriny,
fiainana no atrehina
tsy hoe tsy tia na tsisy irina
fa mba efa niova sehatra

Tranga maro mba miserana
aseho toy ny gazety
fa amin-kalo tsy azo ferana
no mba hitako fa mety

Sokajy : Fiainana

Hevitra mandeha

zoky (26/07/2006 09:05:43)

miova an!

Mombamomba

Mpanoratra : Ranoala

Nampiditra : rahonala
Daty : 25/07/2006
Mpamangy : 1057
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

niova ny tontolo
dia gaga ialahy
Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira