You are here: home > Vetso

Vakiraoka - Ranoala

Azo vakiana?

saika anoratra aho
kanefa...
na ny lohateny aza tsisy
ny hambara koa
mbola tadiavina indrisy.

Dia hofaranana ny pejy
andro hafa ho tohizana.
ny saiko koa da vizana.

Androany : 06 Mey 2008
Mbola hitohy ...


//--------------


Dia notohizana indray
ity kalo hafahafa
mandoro nefa tsy ma(ha)may
manaitra ahy mbo hitafa

inona aza ity hambara?
ts(y m)isy vao ts(y m)isy tonta
ny teo havadika ho tantara
nively loha toa kanonta

mbo nisioka aho io maraina
nanantena nanantena
(i)ndrisy izao toa malaina
vary maina ts(y m)isy hena!

Amin' ny manaraka angamba...
ANDROAN 08 DES 2008

Hevitra mandeha

sitlo (06/05/2008 23:29:43)

tiako izany
pasinao izany

sitlo (06/05/2008 23:29:43)

tiako izany
pasinao izany

Mombamomba

Mpanoratra : Ranoala

Nampiditra : rahonala
Daty : 06/05/2008
Mpamangy : 1161
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

niova ny tontolo
dia gaga ialahy
Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira