Alina (Ra'Ony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
alina
Alina tsy hitondra hazavana, tsy hitondra hafanana,
ho an'ity mahantra trotraka sy hana...
misaringo-boridamba, zara raha mitafy...
tsy mba hanampiadanana fa mihafihafy

Alina
Alina nirariana nadrasana hatrin'ny ela
hanaovana herisetra , angalana tsy anki-hera
fananan'olonkafa, tsy misy resaka na tafa,
alainy tsy misy indra-fo ary tsy mihafahafa...

Alina
Alina anofisana lay tiana, lay lasana any ho any
tsy sahy namborahana, fa narahina ambinany..
dia miasa saina , mararirary aina,
tsy sasatra miandry, rahoviana lay maraina...
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
774 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0623