Satria poeta aho (Ra'Ony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satria poeta aho
Dia manoratra ho anao,
teny no arendrika
ka tontolo tsy misy endrika
zay hiainanao
no lokoiko tohizao...
ny miafina tsy hita, any ambadiky ny lalina
no arosoko ho anao, azavana ho an'y alina

Satria poeta aho
Dia hivazo ho anao, resin'ny fitia
lavon'olon-tiana, fo te hiara dia...
hanavao fanatenana
efa trotraka sy hana
eto anivon'y tontolo
sanatry tsy bobongolo...

Fa tsy sanatry poeta aho
dia tsy ho toa anao
fa mahay marary
mba mahazo an-tsary
ny fahoriana toy 'zao...
mihira, milalao
fa saingy tsitanao...
--------
Rohy:
922 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146