Tsikaritro mazana, eny an (Ra'Ony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsikaritro mazana, eny andalako eny
maso iray mijery, toa vava te iteny...
nefa miafina, mangina, mandositra ny tavako
azoko ambinany, te hanonona ny anarako...

Dia mahagaga ahy, fa mifanena amiko matetika,
nefa dia tsy hitako, toa sanatria nilentika...
Angamba hoy aho matahotra
Matahotra ny ho tratra
matahotra aratra
fa ndrao tsy hisy setriny
'lay hazavana nentiny
ao anaty fo, kobonina mangina
maniry mba ho tiana!
Dia toa adaladala
mijery ity malala...
malala tsy an-tanana
malala tsy mba namana...

Kanefa
maninona hoy aho aky
raha toa zaraina 'lay fitia
aza atao kisarisary
fa aleo ibaribary

sitrany ahay mba azoko ny dikany
farafaharatsiny fantatro ny vintany
ny halehibeny ny hevitra raketiny
ary koa hanomezako zay ho setriny...
--------
Rohy:
907 2
Mpakafy: Raonyfitiavana - pia
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153