Aingam-panahy (rainianja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangina ny tany,
Izaho lasa vinany.
Inona ary no mahatonga izany?
Vinany tokoa ve no mahatonga ireny?
Ireny aingam-panahy ireny,
Sa eritreritra lasa lavitra
Ka mahita zava-dalina?
Angamba kosa noho ny hafaliana na fijaliana.
Na koa izaho toa manimanina,
Manimanina amin'ny andro alina
Ka ny penina no mikorisa
Mikorisa ihany
Ary mbola mikorisa hatrany
Ka mahavita izao
Taratasy izao.
24 Desambra 2006
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1173 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rainianja
Nampiditra : Mahefakely
Daty : 26/07/2007 06:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0314