Ny ho aviko ny rampitsoko (rainianja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nankaiza ireo mamy
Lasa aiza ny hafaliana
No sento sy tomany
Sisa no hihainana.

Nisento kely dia izay
Nikipy kely ny ho aviko
Ka nandatsaka in-dray (une fois)
ranomaso nandrakotra ny tavako.

Nikaika ny manodidina ahy
Fa mafy ny manjoa
Nikendry ny hamely ahy, mantsy
Ny ratsy mba ho fijaliako

Nikopak'elatra nandeha
Ireo tsiky sy hafaliana
Nigadona ary nirehareha
Ireo mafy sy fijaliana

Veloma ireo nofinofy
Veloma fa lalàna hafa
No mitondra mba hanjohy
Ny ho fiafarako ho hafahafa.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
1333 1
Mpakafy: mahefakely
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rainianja
Nampiditra : Mahefakely
Daty : 14/10/2007 15:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137