Ny hirako (rainianja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hira mampanembona no kaloiko
Rehefa mahatsiaro ano ity foko
Ny hany sisa alahelo tsaroako mantsy
Dia ny tsy mahita anao eto am-pofoko .

Fa mizotra moramora manantona anao
Ity fitiavako tsy mety fay,
Na milaza aza ianao fa mankaleo
Izany fitiavana izany tsy mampahay.

Na fitia tsy voavaly ary,
Fa fitia ho ahy irery ihany
Nefa raha fantatrao ny fisiany
Dia efa mampihena ny halaelon'ity fo iray .


Tsy tia ahy ianao ?
Tsy mino izany aho,
Fa mialatsiny aminao.


Ny tsiny mahafaty
Ry havako malalako,
Ka mba avelao aho re
Fa mafy ny fitiavako.

janoary 2007
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - embona
1273 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rainianja
Nampiditra : Mahefakely
Daty : 04/09/2007 07:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137