Tsinjon'ny foko (rainianja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsinjon'ny foko



Tsapako indray fa ato am-poko
Ilay alahelo izay nandrombona ny fiainako,
Tsinjoko indray fa velon'ilay fitiavako
Tao anatin'ny tahirinafon'ny fanahiko.


Fantatro mantsy fa mbola tia ahy ianao
Any lavitra any, tia ahy tsotra izao.
Tsy manadino ahy na ela aza izay,
Tsapako ato am-poko izany
Ka mampody indray ny fitiavako iray.



Na tsisy milaza aza dia tsinjoko .
Fa ianao tsy manadino ny fisiako,
Na maraina na hatoandro mantsy
dia toa any aminao foana ity saiko.

13/02/07
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1027 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rainianja
Nampiditra : Mahefakely
Daty : 03/09/2007 14:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134