Dina - ratehovalahara
Azo vakiana?
dina
ravaky ny foko ianao
satria tafaray izao
reo embona sy tsiahy
mihamirotsaka tsy nahy
sitrany ery mba hitafa
hanary ireo sento hafa
saingy tsy anoloana
fa ao an-tsaina foana
mila tsy ho tontosako
ny vetso izay naposako
hahatsiaro anao...
mba firy moa ireo sahala
ilazako hoe malala
fa natokako ianao...
07-09-04
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : ratehovalahara
Nampiditra : yrhinasDaty : 12/02/2005
Mpamangy : 537
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Fa hay fitia hafa !Serana
'sisa-minitra'