Fa hay fitia hafa ! - ratehovalahara
Azo vakiana?
faraingo nanarato ireo tan-tsambon-ndra
mba ho hiakan'izay mitafy nofo sy ra
somamby anao ny ainy te-ho revo
nadolan-tsento tanaty fotaka mandrevo
fanainga nanangoly ny fenitry ny fo
mba ho tsantan'ny ampitso mpakato
marary anao ny sainy te-ho jamba
tinolotra fitia natao an-joron-damba
fa laingo nanajary ny tiana sy ny tia
kanefa siokan-tsafosafo diso fitia
dia hay fitia tsy nandrobona intsony...
fa lainga nanantena ny hampijaly fy
kinanjo rijan-drotsirotsy tara fitia
dia hay fitia tsy nisalotra ny zony...
antsaliandrotsipenitra sy ra
26-09-04
Hevitra mandeha
Miarantsoa (15/02/2005 15:29:13)
yrhinas (16/02/2005 11:30:52)
misaotr am fakana ny fy fa rah tsy mahameloka de mba omeo torohevitra ihany ndraindray é !
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : ratehovalahara
Nampiditra : yrhinasDaty : 19/01/2005
Mpamangy : 528
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
DinaSerana
'sisa-minitra'