You are here: home > Vetso

'sisa-minitra' - ratehovalahara

Azo vakiana?

              'sisa-minitra'
lakalaka misompirana
vonto anao ny habaka...
'reny aloka mangirana
dika vilana manavaka...

isaky ny ditran'onjany
eny, lanaka sy drodroka...
fo nigobona ny fonjany
sampy zina tsy nisoroka...

tsidikao mangasihasy
voasary afo tokan'hasy
sondriana teo izy omaly...

sentoko nanary ampinga
minitra votsa tsy mba kinga
satry indrindra tsy hamaly...

                              28-04-04

Hevitra mandeha

Miarantsoa (15/02/2005 16:25:54)

Mebdrika e !
Misaotra !

booboo (15/02/2005 23:23:52)

tsy dia fahitako firy ilay voambolana nampiasainao. tsara be ilay tononkalo dia misaotra mizara raha tsara aminay รด

yrhinas (16/02/2005 12:20:16)

tsy hay lazaina ny ao am-po fa fotsiny hoe somary sanganehana ihany mahatsapa fa hay misy mahatsiaro na dia amin'ny sisa-minitra voahozona hitoetra sy handalo ambonin'ny tany aza ; fankasitrahana sy firariana ary fisaorana voafantina sy tsy maintsy nofantenana ihany koa

nyeja (24/09/2005 08:10:41)

tsara ilay tononkalonao "drodroka...; tokan'hasy"
hono ho aho ry yrhinas, mbola tsy fahitako mihitsy ilay voambolana azonao mba hazavaina ho anay izay tsy mahazo azy ve
misaotra indrindra a

lanto (12/10/2005 10:15:45)

Misaotra e! Hainao ilay teny gasy :) ary tsara rafitra ny tononkalo. Ao daholo e!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ratehovalahara

Nampiditra : yrhinas
Daty : 12/02/2005
Mpamangy : 415
Mankafy : 3

Tononkalo hafa

Fa hay fitia hafa !
Dina
Serana