AHOANA NY MITIA ? (RAVINALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niezaka ny tsy nahatsiaro ny lalana nombana
Ny foko efa osa, fa trotraka loatra
Fa miredareda ny afom-pitia
Tereko ho faty fa andrao tafahoatra
Kinanjo vo mai-mihamafy
Mahery fitsoka ilay rivo-pitia
Nony injay tafahaona dia nifankazo
Velona indray ireo otrikā€™afo
Efa niha nalazo.
Dia ny onjan-drano no sisa tsy haiko
Fa sarotra lotra
Ary mafy fitopa
Ny lala-nombako ; ilay sambom-pitia
Tsy resiresena
Tsy safotry ny onja.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
98 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015