NOLALOVANTSIKA IRENY (RAVINALA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nolalovantsika ireny, adiady, nifanditra teny ho eny
Ranomasoko nipotraka, nampian'ny alahelonao
Indreny isika nifamaloka ary saika nifandao.
Nolalovantsika ireny, avonavona, saika tsy hifamela tamin'ny fahadisoana kely
Ratram-po, alahelo, fahadisoam-panantenana
Nanjary tsy nifankalala, tsy nandrenesana korana.

Nolalovantsika ireny, samy nampanjaka ny hambom-po, samy nampanjaka ny aminy
Nihevi-tena ho matanjaka, afa-miantsampy amin'ny tapaka sy namana
Ny anao tsy fantatro, ny ahy irery no matanjaka.
Nolalovantsika ireny, nanadino ny fiarahana, nikasa tsy hitambatra
Ny ady sarotra rehetra, natao am-po sy tarigetra
Noheverina fa hoe modely; fiainana mandeha irery.

Nolalovantsika ireny, ny fo tsy mahasaraka, miaina sambasambatra
Tsy mifankafoy eo anilan'olotiana, samy tojo olona niriana.
Nolalovantsika ny fiainana rehetra, nanamafy ny fitiavana
Nanjary tena lalina, nifamatotra sy sambatra.
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana - Aingam-panahy
284 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0171