FIOVANA (RAVINALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fiovana ve midika fa mandao ny mahazatra
Fiovana midika fa miala ‘zay nankahalaina?
Fiovana anaka ; ny fonao vonona hiova
Hiala sy hanadino ny ratsy izay fanao

Raha mpisotrosotro ialahy izao
Ny fiovana tsy hoe ialahy mifady
Na ialahy mankahala ; fa ialahy tsy mivoady
Mahatsapa fa tsy tsara

Ny tena fiovana dia ialahy mahay mandanjalanja
Mahay mitondra tena sy mamatatra ny tsara
Mahalala onona, mahay maminavina
Mahalala ny tena fetra ee !

Tsy fiovana ny an’lahy raha toa ka hitsara
Hankahala ny fahalemen’ny hafa
Na hisarisary sy ho adala
Miova sary, ho zary varivary.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
42 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0146