Sahia Mitraka, Sahia Mandroso (RAVINALA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hoe niverin-dalana aho akory raha niala sy nandao ny safidy izay nekeko,Nandrava ny kinasa ka nitsipaka lalàna fitsipi-tarigetrako
Tsy hoe nivarilavo sady velom-panenana amin'izay tsy fahombiazana
Fa mitady tsaratsara, alim-pahasambarana handroso tsy hikemo hanavao ny fiainana
Tozohiko mangina ilay ankehitriny na nilaozan'olon-tina an-tsesitany mahamanina
Voasoratra ato an-tsaiko ny fikasana mafy handingana ny vahy mangidy sy manganana
Ekeko izay kilema, hakiviana miampy sedra,
Lalam-bato makadiry, tendrombohitra mideza,
(fa izaho miteny irery: "sahia mahereza")
--------
Rohy: