ANDEVOM-PAHOTANA (RAVINALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mifoha vao maraina
Miaina teny ratsy
Tsy mitsitsy aina
Mamono mahafaty

Mandritra ny andro
Mamorona hadalana
Mikatsaka ny akaso
Hanimbana ny hafa

Ny hariva mbola tsy midify
Ilay masondro menamena
Dia halatra tsy afiafy
Fanangonana harena

Tsy mijery ireto hafa
Na mba hanasoa azy akory
Fitiavan-tena no manjaka
Ary tena mampahory

Fifamoana, fidorohana
Ireo tsy very anjara
Hetraketraka etsy eroa
Zava-dratsy , tsy misy mahasoa

Ry tanoram-pireneko
Hakaiza isika ity
Ny azo ambarako hatrato
« andevom-pahotana ny nosy mamintsika ».
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
71 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149