ANDRAKANDRANA (RAVINALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ao an’efitranoko ao misy fiovana
Fiovana hafahafa toa misary hadalana
Fofona sy setroka
Miovaova loko tsy fandre matetika

Setroka tsirohotro mifangaro rano
Rano tsy fisotro mahatofoka ny maro
Zava-misy izany, tantaraiko anao
Izay ny fiovana sao dia gaga ianao

Tsy tandra vadi-kodotro io
Sady tsy fanaoko ihany koa
Tiako ny milaza
Rediredy, kobak’ambava

Tsy dia niriako, nakoa nosafidiako
Tsy ankafiziko no sady tsy niriako
Mba nanalako andro ; hamafako izany lasa
Noheveriko ihany koa hanasitrana ny ratra

Hitsara ahy ianao ary mora hanameloka
Aoka anefa mba hitsahatra
Miangavy koa hangina
Trafo-kena tsara ; ahy sisa mieritreritra.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
58 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1851