ASA RE RAHA MBA FANTATRAO? (RAVINALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba tsampanao moa fa eo ambaravarakely no lasan’alahelo sy misento ’zany foko
Rehefa injay ianao tsy hita ; lasan’embona, mitaraina mitoloko
Rehefa hila tsy ho tantiko dia zava-mahadomelina no bobohako
Dia singara koa no pololoriko, mba hampitony ‘zany .
Rehefa koa tsy tantiko ny fahendren’ny tany
Dia miondrika ny lohaka ka mangoraka ao am-po
Dia indro mitomany
Maniry fiainan’olon-droa .
Na dia haiko aza hoe sarotra aok’zany
Ka nefa niendrikao miserana any ho any
Dia iriako ho eo an-tratra
Ilay fiainana mandalo mijanona ho takaitra
Io fitiavana io tsy mety ho voafehy toy ny zavatra ianarana
Tsy mba mitondra fianan-tsambatra hanjakan’ny fiadanana !
Fikasana ihany, angamba nofinofin’olon-jamba
Ny hahita ilay mazava, ho fifalian’ny fo
Eny e ; aleoko tsy hiteny mba tsy hivarolavo amin’ny fiainan’olondroa !
Handramoko eny fona ny fiainana misaona
Sao mba mba ho tanteraka ilay lohataona !
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
80 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAVINALA
Nampiditra : LEVASOKA
Daty : 21/03/2024 20:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139