FARANAKO ETO ANDROANY (RAVINALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho faranako etoana
Ny lala-nombana
Sy dina natao

Ny soa nifanaovana
Sy ny fitiavana
Halevi-ko ireny, tsy hohitanao

Ny taratasy
Natao mba ho basy
Nampiray antsika

Ho potipotehako
Sy ho dorako ho kila
Tsy misy tomika

K’aza fantarina
Na anontianiana
‘zay anton’izao

Fa ny tambitamby
Na ho fialan-tsiny
Tsy hanova ny hevitra tapako akory

Ka tsara mangina
tsy hozohim-pahoriana.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
62 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014