FITIA MADIO ADALADALA (RAVINALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia madio hony no natolotrao ho ahy
Fitia madio kanefa mampanahy
Rehefa isika tafahaona
Dia ny tananao manantona
Hisarika ny tanako
Dia mody tsy jereko
Fa tohizako ny resaka
Avadiko ny tafa
Ka ataoko sangisangy
Dia io ianao mihomehy sady lasana vinany
Raha sendra ka variana
Dia mody miankinakina
Dia raikitra eo indray ilay fitia mandramandrana
Mikitika ny sofina
Hatrany an-takonana
Efa lasalasa vao mody tonga saina
Fitiavana madio no averimberina ao an-tsaina
Ny dina nifanaovana hony hifanaja hatranihatrany
Kanefa ny atao toa mifanohitra avy hatrany
--------
Rohy:
69 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015