FITIAVANA (RAVINALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mientana anaty ny feon’zany fony
Miredaredam-pitia, asa raha hisy mpandray.
Ny aingany tsara, no alefany ho any,
Asa, ho sambatra ve raha ho lavina indray ?

Mietry tena malemy tahaka ny vovoka,
Fa sarotra loatra ny fitempon’ny fo.
Ry volon-drameva, marevaka sy mahafinaritra,
Mila anao izy, hamafa ny loza manjo(a).

Voninkazo mifaningotra amin’ny ao anaty,
Ny herin’io fitiavany io. Vonoina vao mai-mihamafy.
Maningotra ny aina rehefa tafahoatra
Rehefa tohaina vao mai-ko mitroatra.

Tsy mahasalama, ny fitia tsy tanteraka,
Ny herin'ny vola vao tsy misy miresaka.
Ny faniriana dia ho azy mandrakizay,
Ny sisa ; tsy ilainy fa toa tany hay.

Aza mahazo ny tsy filaminana,
Ry fitava-masiaka sy masina indrindra.
Ao anatin’ny fo no mitady handosirana,
Fa tra-pahoriana tsy afa-mamindra.

Ny fahafatesana iriany handramana,
Raha indritsy ho very ny vony notiavina,
Na ho vovo-davenona na ho vovo-tany
Ny aretina am-po, tsy ho sitrana izany.

Ny faniriany no vetesiko etoana
Ny tsikinao hamiratra ka ho alo-dohataona
Hiara-dalam-pitokisana, ho andry iankin’ny androm-piainany
Tsy voafafa mihitsy ary ianao no hasambarany.

Ny fitiavany ? Vonikazo merevaka loatra,
Ny fibanjinana tsy anavahany ora
Aretina no aterany rahefa izy no somparana sy terena hitroatra
Ny herisetra ‘zay tsy tantiny rehefa miangavy ; ny fitarainany tsipazanao rora.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
96 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1094