IO RANOMASINA IO (RAVINALA)

Nantsain'i Levasoka
Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io ranomasim-be io no fasana niriako hilevenako
Hanadinoiko ny lasa, ny alahelo sy ny tsetrako
Io ranomasim-be io no iriako mba hitelina
Ny fiainana mangidy nolalovako rehetra

Dia mbola io ranomasina io ihany no sitrako
Hanasana ny ranomaso rehetra sy ny ngidim-pahatsiarovako
Io ranomasina io no afaka hanasitrana ny ratra
Sy ny feriko rehetra sy ny sisa izay tsy zaka

Raha io ranomasina io mantsy angamba
No zary fasana ilevenako dia tsy misy intsony hitranga
Ny sedra maro naharesy sy ny ady goavana nahalavo
Eny eee !! ‘Zany foko efa gina sy torovana zary hivarolavo
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
83 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAVINALA
Nampiditra : LEVASOKA
Daty : 04/04/2024 07:57
Antsantononkalo
Nantsain'i Levasoka
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016