IRAIKA AMBIN’NY FOLO TAONA (Tsiaron'i RANDRIANILAINA Jean Claude) (RAVINALA)

Nantsain'i LEVASOKA
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manjetoko lotra ny fo sy fanahiko
Trotraka tanteraka tsy mahita ny lala-kombana
Ny folo taona misy iraika amby
Nandaozan’ialahy ny tany malala

Fiteny ny hoe hazakitay ny alahelo
Ialahy anefa hatreto tsy afaka am-poko
Ny raho-mitatao toy ny vao omaly
Indro miserana ; mangidy tsy taty

Ialahy ilay zoky tokiko indrindra
Mamy ao am-poko ; nampianatra namindra
Folaka andatony sy vo herotrerony
Natelin’ny fasana tsy mba naveriny

Indro ity rentsika malala
Nivadi-po ary saika noadala
I dada amin’izany mody ho lehilahy
Fa misoritr’antava(ny) ny alahelony an’ialahy

Tena nagidy iny taona iray iny
Nangidy fisaonam-bahiny
Inoako anefa fa sambatra i zoky
Lasa-korazana efa natoky

Mandria am-piadanana letsy aaa
F’zaho tsy hitsahatra ny hamohafoha
Hivavaka ho an’ny fanahin’ialahy

Ary antenaiko fa mbola hihaona
Ny sorom-pifonana ; tsy hovery maina fona
Ny paradisa no fifamotoantsika roa lahy.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
114 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAVINALA
Nampiditra : LEVASOKA
Daty : 07/05/2024 07:18
Antsantononkalo
Nantsain'i LEVASOKA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145