LASANA AMBIROA (RAVINALA)

Nantsain'i LEVASOKA
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasana ambiroa irery
Eto amoron-dalana eto
Mahatsiarotsiaro tena very
Fa nilaozanao nandao

Manembonembona ny lasa
Mitomany samirery
Misento tsy mitraka
Mitanondrika sy resy

Iny ilay lalana
Nizorantsika roa
Nitondra fiadanana
Nifampitantana taloha

Sina izy androany
Mandatsa ny eritreritro
Tsy miaina teny mamy
Ooo ! Ny fahoriana tsy voafaritro.
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
66 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147